Namono olona indray ny varatra tany amin’ny distrikan’ Ambalavao Tsienimparihy, faritra Matsiatra Ambony, afak’omaly tolakandro. Efa-mianaka no niara-maty nilatsaham-potoka, tao Samimasina, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Anjomà. Raha ny vaovao voaray dia nanao be fiavy ny orana narahin-kotroka nirefodrefotra sy rambon-danitra ary havandra madinika tamin’io fotoana io. Vokatry ny fandalovan’ny rambon-danitra, dia rava sy nentin’ny rivotra ny tafon’ny sekoly EPP sy ny trano fonenan’ny mpampianatra. Noho ny faharavana misy, tapaka ny fampianarana any an-toerana.
Eric Manitrisa