Mivoatra ankehitriny ny raharaha mahakasika ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana raim-pianakaviana iray 41 taona, izay hita faty nihosin-drà tany Iaritsena Andranoboboaka, distrikan’Ambalavao Tsienimparihy, ny narain’ny 24 novambra lasa teo. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanàna ny famotorana, dia tafakatra fito amin’izao ireo olona voarohirohy voasambotry ny polisy tamin’ity vono olona nahatsiratsina ity, ka ny enina amin’ireo dia lehilahy, vehivavy kosa ny iray. Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany, dia hatolotra ny Fitsarana androany ireto fito mianadahy voarohirohy. Omaly moa no nalevina ilay lehilahy hita faty, izay norasarasain’ireo tsy mataho-tody tamin’ny zava-maranitra. Tsiahivina, fa tamin’ny fotoana nahitana ny razana, dia tsy nisy taova maromaro intsony toy, ny lela, fo, aty, ary betron-doha teny amin’ny vatana mangatsiakan’ ity raim-pianakaviana hita faty ity. Nandeha nisafo ny variny teny an-tsaha no nivoahan-drangahy ny tokantranony ny alina, saingy vatana mangatsiaka nihosin-drà nampihoron-koditra no nalain’ny havany nony naraina ny andro.
Eric Manitrisa