Voasambotry ny Polisin’ Ambalavao ny enina tamin’ireo dahalo mpanakan-dalana miisa sivy, saika handroba ny fiaran’ ny Sipromad nitondra vola valo tapitrisa Ariary, teo amin’ny fiakaran’i Vatoavo, 9 Km avaratr’Ambalavao amin’ny RN7, ny harivan’ny alakamisy lasa teo, tokony tamin’ny 5 ora sy sasany. Taoriana kelin’ny fanafihana, nahazo antso an-telefaonina ny polisy, ka niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana an’ireo olon-dratsy. Ny alin’io ihany, voasambotra ny jiolahy iray antsoina hoe : Laody. Tamin’ny famotorana natao azy, nanondro avy hatrany ny toerana misy ireo namany izay samy mipetraka ao Fianarantsoa avokoa izy. Ny ampitso narainan’io, niroso tamin’ny fisamborana ny polisy, ka jiolahy telo no voasambotra.
Ny mpamily sy ny vadiny no atidoha nikotrika ny fanafihana. Nandritra ny famotorana, nanondro ny olona naniraka azy ireo mpanakan-dalana, ka teo no nahafantarana fa ny mpamily ny fiara, izay efa enina taona niasana tao amin’ny Sipromad, sy ny vadiny ihany no atidoha nikotrika ny asa ratsy, satria mahafantatra ny fisian’ny volabe entin’ny « convoyeur » miaraka aminy isan’andro. Nilaza ihany koa ireo dahalo tra-tehaka, fa noho ny fisian’ny taksiborosy iray mampitohy an’ Antananarivo sy Toliara nanaraka tao afaran’ ny fiaran’ny Sipromad no antony tsy nahatanteraka ny fikasan-dratsy. Na dia efa voatora-bato aza ity « camionnette » ity, dia tsy sahy nijanona fa sao hita mibaribary be ny firaisana tsikombakomba ka naleony nandeha ihany. Androany moa no hatolotra ny fampanoavana ireo jiolahy izay samy niaiky ny fiampangana azy daholo, ary mitohy kosa ny fikarohana ny naman’izy ireo tafaporitsaka, hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena nampita ny vaovao.
Eric Manitrisa