Fatin-jazarano iray sahabo ho enim-bolana an-kibo no nisy nanary tao anaty kirihitr’ala amoron-dalana, omaly naraina, tany Ambalavao. Ramatoa iray niaraka amin’ny zanany roa handeha hiasa vao maraina ho eny an-tsaha no nahita ity harona plastika, ka rehefa nosavaina ny tao anatiny, satria nihevitra izy ireo fa entan’olona latsaka, vao kepoka nahita ny razana tao. Mbola hita teny aminy ny foitrany, ka izay no nahatonga ny tombatomban’ny maro fa zaza nesorina izy ity, rehefa maty dia nariana teny, ary tsy fantatra ny nametraka azy teo, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa