- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao-Isotry : Fiara roa, jiolahy mitam-basy nandroba ramatoa avy nivarotra vato

Ambalavao-Isotry : Fiara roa, jiolahy mitam-basy nandroba ramatoa avy nivarotra vato

Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina no niseho ny fanafihana. Ny talata teo, raha handeha hamonjy fodiana ny renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany vavy ary ny mpamily ny fiarany no nisy fiara nanakana tampoka. Ny iray marika Mitsibushi L200, fiara tsy mataho-dàlana ary ny faharoa marika Golf type 4 miloko volondavenona. Tsy afa-nandroso intsony ilay fiara nitondra azy mianaka ary poa toa izay koa dia nivoaka ireo tao anaty 4X4 ary nanambana basy. Fantatr’ireo hatramin’ny nisy ny vola. Tsy nisy resa-be dia efa fantatra ny tanjon’ireo jiolahy. Nomena azy ny volabe tao anaty paoketra. Raha araka ny fantatra dia vao avy nivarotra vato sarobidy ilay madama talohan’io. Heverina izany fa nisy nahafantatra izany ary io nisy nanaraka io ny fiarany. Teo amin’ny maizimaizina teo Ambalavao-Isotry no nanapa-kevitra ireo jiolahy fa hanao ny fandrobàna tamin’izay. Poa toa izay ihany koa dia nanjavona teo an-toerana ireo mpanafika. Ny fiara nampiasaina koa matanjaka avokoa. Tsy nisy na inona na inona azon’ilay ramatoa natao ankoatra ny nametraka fitarainana. Midika ny tranga toa izao fa feno mpitsikilo eny amin’ny toerana ihodinan’ny vola eto an-drenivohitra. Na efa mailo aza ka mitazona ny fahanginana dia mbola misy mahafantatra ihany ny fisian’ny vola matetika. Ny antony dia satria misy olona mivelona amin’izany fotsiny. Matetika dia ireny mpanao « taxi-phone » ireny no tena maharaka ny fivezivezen’ny olona sy ny vola. Misy amin’izy ireo no manome vaovao ny jiolahy ary karamaina rehefa avy eo. Matetika ihany koa dia ireo mpiambina eny anivon’ireny banky ireny no maharaka ny olona mitondra vola ary miara-miasa amin’ny tambajotran-jiolahy. Mitaky fahamailona tanteraka…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici