Tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana no nitrangana’ilay asan-jiolahy ary amin’ny andro antoandrobe nanahary. Nambanana basy ny olona tao anaty fiara, dia nalaina ny “tablette” teny aminy. Poa toa izay dia nanjavona ireo roalahy tompon’antoka tamin’ilay fanafihana.Nitaingina scooter rahateo izy ireo hany ka vetivety dia tafala teo an-toerana. Toa ireny amin’ny sarimihetsika ireny mihitsy…
Saika isan’andro no handrenesana endaka sy sinto-mahery eny amin’ny faritr’Isotry. Manana ny fomba fiasany ry zalahy. Misy ireo hangalatra anaty fiara no mody mitsofoka ao ambany fiara. Taitra ilay olona eo amin’ny familiana dia mivoaka. Rehefa manontany dia milaza ilay bandy fa lasa ao ambany fiara ao ny kapany ka maka izany izy. Etsy andaniny, misy namany iray izay tena kinga tokoa mangalatra ny entana hitany eo ambony seza. Tsy vao izao no nisy izany fa efa hatramin’ny ela. Tetika anisan’ny mahomby tokoa ilay izy. Raha vao variana kely mantsy ny olona dia ao anatin’ny indray mipi-maso no hangalarany ny entana. Dia sahala amin’izany hatrany. Efa maro ireo voasambotra nefa dia tsy vitsy koa ireo mipoitra tsy fantatra hoe avy aiza. Lasa manao fangalam-piery amin’ireto jiolahy ireto ny mpitandro filaminana eny an-toerana. Anisan’ny faritra mena mantsy Isotry raha resaka fanendahana sy sinto-mahery no resahina.
D.R.