Ny faran’ny herinandro lasa teo dia trano efatra no nirehitra teo an-dRenivohitra. Teny Analamahitsy, Ambavalao Isotry ary Nanisana. Samy potika avokoa tsy nisy noraisina avokoa ireo entana rehetra tamin’ireo trano ireo, saingy ny iray Ambalavao Isotry no nisy aina nafoy.
Ny zoma alina lasa teo no nitranga ny loza, raha niainga avy tamina trano iray ambony rihana ny afo ary niitatra teo amina trano nisy rihana iray hafa teo akaikiny. Vantany vao nirehitra ny trano dia samy namonjy nivoaka sy namonjy izay entana azo navotana ireo olona rehetra tamin’ireo trano ireo. Niezaka ny nanavo-tena ihany ny lehilahy iray, tokony ho 50 taona teo eo ho eo saingy indrisy anefa fa voafandriky ny afo ka tavela tao an-trano ary namoy ny ainy. Fotoana vitsy ihany dia tonga teny an-toerana niezaka nifehy ny afo ireo mpamonjy voina, niaraka tamin’ny fiarabe telo. Folo minitra ihany dia voafehy tanteraka ny afo, raha ny fanazavana azo. Fantatra, fa vokatry ny « court-circuit » moa no nahatonga ny loza. Fa ankoatr’izay, ny zoma io hatrany dia nisy trano iray nirehitra ihany koa teny Analamahitsy. Trano biriky izy ireo, ary voalaza fa tao amin’ny « grenier » no niatomboka ny afo ary nahazo ireo hazon-tafo. Telo minitra taorian’ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina ihany moa dia maty ny afo. Fa ny alahady lasa teo kosa, dia teny Nanisana indray no niasa ireo mpamonjy voina, raha namonjy trano lehibe iray nirehitra teny an-toerana. Efitra roa tao ambony no kilan’ny afo tanteraka. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra, saingy tsy nisy noraisina kosa ny entana rehetra. Azo heverina fa mety ho mbola vokatry ny herinaratra ihany koa no nahatonga ny loza, raha ny voalaza.
m.L