- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao Isotry : Mpibata entana maty voatifitra, tratra ireo nahavanona ny loza

Ambalavao Isotry : Mpibata entana maty voatifitra, tratra ireo nahavanona ny loza

Fantatra amin’izoa fotoana izao fa tratran’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny BC ny lehilahy iray anisan’ny nandroba sy nitifitra nahafaty olona sy nandratra mpanjifa iray tamin’ny fandrobana mpamongady « friperie » teny Ambalavao Isotry, tamin’ny faha-28 may lasa teo. Roa volana mahery kely taty aoriana vao tratra izy io, araka ny vaovao nampitaina avy amin’ny mpitandro filaminana. Ny vaovoa hatrany no nahalalana fa tao amin’ny toerana fisotroana no sarona ny anao lahy tamin’ny faha-11 aogositra teo, tamin’ny 9 ora alina, teny Anosipatrana. Mpanome vaovao ny polisy no nahafantarana ny toerana nisy azy. Izany Rado izany no fiantsoana azy, 22 taona. Voalaza fa anisan’ireo jiolahy nanafika tamin’ny andro voalaza etsy ambony izy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nandà mafy tokoa ity olona ity. Nanitrikitrika anefa ny vavolombelona nahita ny fanafihana fa izy no anisan’ny niditra voalohany tao amin’ilay fivarotana voatafika ary nody nanontany vidin’entana. Farany, nety nanondro ny namany ihany ity voasambotra. Nisy ny fidinana teny Imerintsiatosika, saingy tafaporitsaka izay saika hosamborina. Raha tsiahivina fohy ny zavatra nitranga tamin’io fanafihana io dia nilaza fa olona nironga basy kalach sy PA no nanao izany. Raha vao niseho ny fandrobana dia nahazo antso ny polisy avy ao amin’ny “commissariat central”. Tsy niandry ela fa nandeha teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Tsy nahatratra ireo mpangalatra intsony anefa satria tsy naharitra ela ilay fandrobana. Teo amin’ny toerana nisy ny fanafihana, nisy rà tamin’ny tany. Nahitana vodina balana kalck miisa 13 sy lohana bala kalach 3. Niala ny toerana avy hatrany ry zalahy ary nanaparitaka vola 10 000 ariary sy 5 000 ariary tamin’ny lalana. Vola an-tapitrisa maro kosa anefa no fantatra fa lasan’izy ireo niaraka tamina finday efatra, an’ny mpivarotra sy ny mpanjifa.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser