Tsy nampoizin’ireo olon-dratsy mihitsy ny fahatongavan’ireo pôlisy eo anivon’ny UIR izay nanao fanamiana sivily, tetsy Ambalavao Isotry. Efa nisy fitarainana tonga teo anivon’ny pôlisy mahakasika ny fivarotana kodiarana hosoka eo amin’io toerana io. Natao ny fanaraha-maso nandritra ny andro vitsivitsy. Omaly no hita teo an-toerana ny iray tamin’ireo mpisoloky. Nosamborina avy hatrany ary nentina teny amin’ny paositra foiben’ny polisy etsy Tsaralalàna. Toa izao ny fanaon’ireo olon-dratsy : arahiny ny olona handeha hividy kodiarana eo Ambalavao Isotry. Reseny lahatra avy eo fa miasa amin’ny magazay eo an-toerana izy ireo ka afaka manome kodiarana amin’izay vidiny ifanarahana. Maro ny roboka satria kodiarana vaovao no azo amin’ny vidiny mora. Dia tena kodiarana mifono mangirana tokoa, toa ireny vaovao ireny mihitsy, no entin’ireo olon-dratsy. Atsofoka ao anaty fiara dia lasa. Rehefa any amin’ny toerana hametahana azy vao talanjona izay voafitaka rehefa mamoaka ireo kodiarana ao anatin’ny fonony : kodiarana efa simba sy potika tanteraka no ao. Nisy ny fitarainana teo anivon’ny pôlisy ka nahafahana nanara-maso an’Ambalavao Isotry. Teny an-toerana dia fantatra fa efa maro ny olona voasoloky teo. Noraisin’ny SUT ny fanadihadiana ny olon-dratsy voasambotra.
D.R