Noraisim-potsiny teo am-pivarotana kodiarana bisikileta halatra ny tovolahy iray ,21 taona afak’omaly atoandro. Izy variana nifampiresaka tamin’ny mpivarotra tetsy Ambalavao Isotry iny indrindra no tratran’ny polisim-pirenena avy ao Ampefiloha. Raha tsiahivina mantsy, nisy olona nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny polisy nilaza fa very ny bisikiletany. Taorian’izay dia nahatsikaritra ny kodiaran’io bisikiletany io nisy nivarotra teny Ambalavao ilay tompony . Tsy nisalasala fa nampandre ny polisy avy hatrany. Rehefa nidina teny an-toerana iretsy farany dia mbola nahatratra ilay tovolahy teo am-pivarotana entana niaraka tamin’ireo kodiarana voalaza fa very.Nohamafisin’ny tompony tamin’izany moa fa tena ilay azy mihitsy ireo hita tany amin’ilay tovolahy ireo raha araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana .Nosamborina itsy farany ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana. Tsy vao indray mandeha no nisy tahaka izao. Matetika ireo mpivarotra entana halatra tsy mahalala akory hoe avy aiza ny fiavian’ilay entana ka mazana izy no tratra farany. Ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ihany anefa no mamaritra izay tena marina mahakasika ity raharaha ity. Andrasana araka izany ny valin’ny fanadihadiana.
Yv Sam