Nanakoako indray ny poabasy nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy tao an-tsenan’Anjoma, distrikan’Ambalavao tamin’io fotoana io. Araka ny fanazavana voaray avy tamin’ny lehiben’ny kaomisaria ao Fianarantsoa, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nikasa ny hanatanteraka fandravana tsena ry zalahy tamin’io fotoana io. Efa nahazo loharanom-baovao mialoha anefa ny polisy ary efa niandry dieny mialoha teo an-tsena. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireto andian-jiolahy ireto. Tsikaritr’ireo jiolahy anefa fa misy polisy manaraka izy ireo, ka namoaka basy nitifitra avy hatrany. Raikitra ny fifampitifirana nanomboka teo ary samy tsy nisy nifampitsitsy mihitsy. Tsy nety nilavo lefona ry zalahy fa vao mainka aza nanapoapoaka ny basy teny am-pelatanany. Vokany, maty tsy tra-drano ny iray tamin’ireo jiolahy. Tafaporitsaka kosa ireo namany.
Nangonin’I D.R