- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Lehiben-dahalo voasambotra, saika nodoran’ olona velona

Ambalavao : Lehiben-dahalo voasambotra, saika nodoran’ olona velona

Rehefa nanaovan’ny mpitandro filaminana vela-pandrika tao anatin’ny fotoana naharitra, taorian’ny fitoriana nifanesisesy niisa 16, dia tra-tehaka ny talata lasa teo, tao an-tanànan’i Betorabato (toerana niafenany) any amin’ny Distrikan’Ambalavao, ny dahalo miisa dimy notarihan’i Rasta. Rehefa naheno ny vaovao ireo mponina avy an’i Mahaditra, Anjomà, Kirano, Vinanitelo, . . . lasibatr’ireto andian-dahalo mitam-basy malaza ratsy amin’ny halatra omby sy vono olona ary fanolanana ireto, dia nirohotra ary saika handoro velona an’i Rasta sy ny ekipany, kanefa nalaky voafehy ny toe-draharaha. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny fanadihadiana, dia efa nokarohina hatry ny ela ity lehiben-dahalo raindahiny ity, saingy izao vao tratra i Rasta sy ny ekipany. Nandritra ny famotorana natao dia niaiky tanteraka ny asa ratsiny ireo dahalo. Mbola karohina fatratra kosa ankehitriny ny omby 88 isa lasan’ireto malaso.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici