- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Lehilahy mamo avy namonjy didim-poitra, nosoavalin’ny mpamosavy

Ambalavao : Lehilahy mamo avy namonjy didim-poitra, nosoavalin’ny mpamosavy

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona eo no hitan’olona vao naraim-be nivalampatra torana tsy nahatsiaro tena teny amoron-dalana, omaly tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any, tany Ambalavao Tsienimaprihy, ary tsy nisy akanjo teny aminy ny tapany ambony. Rehefa tafafoha ity lehilahy nahenoana fofon-toaka nidofaka ity, afaka ora iray sy sasany latsaka kely teo, taorian’ny fitsaboana azy, dia nitantara ny zava-nihatra taminy. Nambarany fa nosoavalian’ny mpamosavy izy rehefa nandeha nody avy namonjy lanonana didim-poitra, ny andron’ny omaly io, tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any. Raha ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia nahitana ratra teo amin’ny tanana roan’ity lehilahy ity sy teo amin’ny lohaliny ary ny lamosiny, ka zara raha afa-namindra sy nandeha izy noho ny harerahana mafy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici