- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Lehilahy roa nahatrarana vola sandoka 20 000 ariary miisa 60

Ambalavao : Lehilahy roa nahatrarana vola sandoka 20 000 ariary miisa 60

Lehilahy roa no voasambotry ny Polisim-pirenena tao Ambalavao, faritra Matsiatra ambony, niaraka tamin’ny vola sandoka, ny fiandohan’ity herinandro ity. Vola sandoka 20 000 ariary miisa 60 izay mitentina 1 380 000 ariary ny fitambarany no sarona teny amin’izy ireo. Mpanaparitaka ireo vola sandoka ireo ihany izy roa lahy ireto, raha araka ny loharanom-baovao  fa ny tena atidoha sy mpamboatra azy ireo dia mbola mandehandeha any. Isan’ny ivezivezen’ny vola sandoka toy izao tokoa ny ao Ambalavao ao noho ny fisian’ny tsenan’omby lehibe any  an-toerana. Sarotra tokoa ny hanavahana ny tena izy sy ny hosoka noho ny habetsahan’ny vola mihodnikodina ao anatin’io tsena io. Noho izany, manentana ny tsirairay ny Polisim-pirenena mba samy ho mailo.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici