
Rongony mitotaly eo amin’ny 25 gony teo no sarona tao amin’ny toerana antsoina hoe Mandazaka, ao amin’ny kaominina Ambinaniroa, distrikan’Ambalavao, ny zoma lasa teo. Olona roa no voarohirohy tamin’ity resaka trafikana zava-mahadomelina ity, izay fantatra fa nadoboka am-ponja avy hatrany taorian’ny fanolorana ny raharaha teny anivon’ny Fampanoavana tany Fianarantsoa. Ankoatra izay dia notontosaina omaly kosa ny fanapotehana sy fandorana ireto rongony mahery vaika ireto, tao Andreamboasary, Fianarantsoa, nataon’ireo polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Izany moa dia araka ny voalazan’ny lalàna velona eto amintsika ary tsy maintsy atrehin’ireo manam-pahefana tany amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny. Marihana fa saika hampiakarina aty an-drenivohitra ireto rongony ireto talohan’ny nahatratrarana azy izao. Mbola mitohy tsy an-kijanona kosa any an-toerana ny fanadihadiana ahafantarana ny loharano niavin’ireto zava-mahadomelina ireto sy izay olona hafa mety ho naman’ireto efa voasambotra ireto ao anatin’ity tambajotra mpanao trafikan-java-mahadomelina ity.
m.L