- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Mpianatry ny lycée maty nanao dahalo

Ambalavao : Mpianatry ny lycée maty nanao dahalo

Lehilahy iray tokony ho eo amin’ny 16 taona eo no namoy ny ainy noho ny asan-dahalo. Raha araka ny fanazavan’ny zandary ao Ambalavao dia mpianatry ny lycée iray ao an-toerana izy. Mbola tsy ampy taona ary ao amin’ny kilasy faharoa (seconde), raha ny tohin’ny fanazavana. Nentanin’ny namany hafa izy mba hiaraka aminy hanao fanafihana. Dia tapa-kevitra tokoa ary nanao asan-dahalo tany ambanivohitra tany. Nisy tampoka anefa ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana ka isan’ny lavo tao anatin’izany ity tovolahy ity. Navelan’ireo namany teo fotsiny ny fatiny ka ny olona mpanara-dia no nahita sy nitondra azy teny an-tanàn-dehibe. Mandeha amin’izao fotoana izao ny fikarohana ireo jiolahy izay nitarika ity tovolahy ity ho dahalo, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana ao Ambalavao izay misahana ny fanadihadiana. Tsy fananana ve sa kosa noho ny namana ratsy no nahatonga azy hanandrakandrana ka naharoboka azy tamin’ny asan-jiolahy? Raha ny momba ny dahalo dia matetika lazain’ny mpandala fiaraha-monina sy mpahay tantara fa kolontsaina izy io any amin’ny faritra sasantsasany. Amin’izao kosa anefa dia heverina fa efa lasa fitadiavam-bola tanteraka ny antony. Marobe ireo omby gasy izay haondrana any ivelany, ao kaomoro raha ny marimarina kokoa. Mbola kolontsaina hatrany ve izany?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser