Novonoiny ny mpiara-miasa aminy noho ny fialonana. Samy nilahatra vola niaraka izy ireo no niakatra tampoka ny hafanana teo amin’ny roa tonta noho ny fifamaliana. Tsy mba vita teo anefa ny lonilony, satria nony alina dia tonga tany amin’ny tranony ilay olona ary nikapa ny lohany tamin’ny famaky. Nanomboka teo ny fitadiavan’ny zandary ilay nahavanon-doza. Raha araka ny fantatra dia hatolotra ny fampanoavana anio io farany.
Nangonin’I D.R