- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Nifampitifitra ny mpanakan-dalana sy ny miaramila

Ambalavao : Nifampitifitra ny mpanakan-dalana sy ny miaramila

Miverina indray ny fanakanan-dalana ataon’ny jiolahy amin’ny lalam-pirenena faha-7. Tamin’ny faha-17 martsa teo, tao Ankaramena, no nisehoan’ity fanakanana ity. Taksi-borosy sy  fiara 4×4 tsy mataho-dalana no nifanaraka. Rehefa tonga teo amin’ilay toerana anefa dia nahatsikaritra izy ireo fa misy sakana teo amin’ny lalana. Nisy miaramila roa avy nanao asa tany amin’ny Faritra Atsimo tao amin’ilay fiara 4×4. Tsy nisalasala izy ireo nampiasa avy hatrany ny basiny. Tetsy an-daniny, nandeha nila vonjy tany amin’ny zandary tao Ankaramena ry zareo. Vetivety ihany dia tonga ireo. Miisa telo ireo tonga nanampy azy. Rehefa teo amin’ilay toerana nisy sakana, efa tsy tratra tao intsony ireo jiolahy fa lasa nandositra. Vaky tamin’ny toraka nataon’izy ireo ny fitaratra tamin’ity taksy-borosy ity. Soa ihany aloha fa tsy nisy naninona ny mpandeha. Tsy sasatry ny manentana ireo fiara mandeha alina ny tompon’andraikitra ny amin’ny ny tokony hiarahana maromaro fa mafana indray tato ho ato ity resaka fanafihana taksy borosy ity.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser