- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao : « Nisy fihenany betsaka ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo »

Ambalavao : « Nisy fihenany betsaka ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo »

Niatomboka tamin’ny volana aogositra sy septambra teo, ny paikady manokana nentin’ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ny amin’ny fidinana ifotony, hijerena izay zava-misy marina any amin’ireo faritra maro, malaza amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Fa indrindra hanarahana maso ireo olom-pehezina amin’ny  fanadiovana anatiny sy ho fiadiana amin’ny  kolikoly izay imasoan’ny eo anivon’izy ireo amin’izao. « Hifehezana tanteraka ny tsy fandriampahalemana, ny hamerenana ny fitokian’ny vahoaka ny Zandarimarim-pirenana indray ary fanadiovana anatiny sy ady amin’ny kolikoly », toromarika sy baiko nomen’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimarim-pirenena, ny Jly Randriamahavalisoa Girard. Araka ity baiko ity, dia efa maro ireo faritra notsidihan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandary ary ny vao haingana ny tany Ambalavao, tao amin’ny kaominina Andonaka sy Ankaramena. Nisy tamin’io fidinana ifotony io moa ny fihaonana tamin’ireo mponina sy ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana. « Nohamafisina teo ny fametrahana sy fampanarahan-dalàna ireo dina any amin’iny faritra iny », fa teo ihany koa ny fanomezan-toky ny fahavononan’ny tsirairay hanome tànana ny zandary handresena tosika ireo mpanao asa ratsy. Teo ihany koa, dia samy nahatsapa ny rehetra fa nihena izay asan-jiolahy sy asan-dahalo izay, any amin’iny faritra iny. Fa ankoatr’izay, dia tsy hadino ny fampirisihana ireo zandary any an-toerana amin’ny asa sarotra iantsorohany , indrindra ny fanafarana azy ireo hitandro hatrany ny fitsipika sy ady amin’ny kolikoly.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici