Mitohy hatrany ny antsojay atao amin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Omaly dia nosakanan’ny mpitandro filaminana tsy navela miditra ny tanànan’ Ambalavao Tsienimparihy ny filohan’ny antoko Tim raha saika hitafa tamin’ny vahoaka nitsidika tany an-toerana. Tsy navela nandeha ny fiaran’ny Filoha teo aloha Ravalomanana sy ireo mpanotrona azy, fa voabahana teo am-povoan-dalana, ka tapaka mihitsy ny RN7 ary nitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana. Nosakanana tsy mahazo mandeha ihany koa ireo mpandeha an-tongotra. Raha ny vaovao voaray, dia avy tao Fianarantsoa ity filoham-pirenena teo aloha ity sy ny ekipany no nihazo an’ Ambalavao. Na dia teo aza ity fandrarana miendrika didy jadona ity, dia tonga marobe nihaona mivantana tamin-dRavalomanana ny vahoaka. Nilaza moa ireo Emmoreg, raha nanontaniana, fa baiko ny azy ireo ka tsy maintsy tanterahina. Manoloana an’ity tranga mateti-piseho noho ny tahotry ny mpitondra amin’ny kandidà ho filoham-pirenena atahorany, dia voatohintohina tanteraka ny fivezivezen’ny olona, ary voahitsakitsaka tanteraka ihany koa ny zo fototra voalazan’ny Lalampanorenana, hoy ireo mpanara-baovao.
Eric Manitrisa