Nahitana vokany ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana mikasika ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny basy eto amintsika. Rava ny tambajotra mpanamboatra basy tany Ambalavao Fianarantsoa. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa karazana orinasa kely mihitsy no sarona tany an-toerana. Rehefa natao ny fisavana ilay trano dia nahitana basy efa vita miisa telo tao. Ankoatra izany, olona telo ihany koa no voasambotra tamin’izay fotoana izay. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa mivezivezy Antananarivo sy Ambalavao ireo mpanamboatra basy ireo ary ankevitry ny aty an-drenivohitra no hivarotana izany. Vao tamin’ny fitifirana ilay teratany sinoa tetsy Behoririka no nahitana basy vita gasy nalatsak’ireo mpamono olona. Tsy fantatra aloha na anisan’ireo vita avy any Ambalavao ilay basy na tsia. Fa amin’ny fanafihana maro koa dia voalaza hatrany fa ankoatra hy basy mahery vaika izay tokony ho an’ny mpitandro filaminana dia ampiasan’ireo olo-dratsy ny basy vita gasy, tsy aty an-tanan-dehibe ihany fa hatrany ambanivohitra lavitra any. Tsy vitsy ny olona efa maty voatifitra tamin’izany fitaovam-piadiana izany.
Nangonin’i r.s.