- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Telo lahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-basy, voasambotry ny polisy

Ambalavao : Telo lahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-basy, voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisy afak’omaly ireo jiolahy telo nitam-basy nanafika « bar-karaoke » iray tao Tsiazonandro, any amin’ny Distrikan’ Ambalavao Tsienimparihy, ny alin’ny 28 martsa lasa teo, izay nahavery vola an-tapitrisany niampy firavaka volamena sy volafotsy, finday ary zava-pisotro maromaro. Nandritra ity fanafihana ity dia naratra mafy voatifitra tamin’ny basy vita gasy nampiasain’ireo jiolahy ny tompon’ ilay toeram-pivarotana. Taorian’ity fanafihana ity dia mbola nandroba tao amin’ny Fokontany Maroparasy indray ireto telo lahy, izay nangalatra kisoa kely iray natao tsaky nisotroana an’ireo karazan-toaka marobe nentin’ izy ireo avy norobaina ny alin’io. Tamin’ny famotorana natao an’ ireto andian-jiolahy tanora manodidina ny 18 taona ireto, dia niaiky ny heloka vitany izy ireo, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana nandray an-tanana ny raharaha, ka omaly no natolotra ny fitsarana izy telo lahy tra-tehaka, karohina fatratra kosa ny jiolahy iray tafaporitsaka.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici