Tato anatin’ny iray volana, nirongatra ny vaky trano sy fandrobana any amin’ny Distrikan’ Ambalavao Tsienimparihy, ka trano telo somary mihataka ny tanàna no nasesin’ny jiolahy notafihana, afak’omaly alina, tao amin’ny Fokontany Morarano. Raha ny fantatra, dia mpihavana avokoa ireo voatafika, ka foana tanteraka tapitra lasa voaroba avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Araka ny tati-baovao voaray, dia tsy tao an-trano ny tompon-trano fa nandeha namonjy lanonana ara-drazana nandritra ny telo andro tany ambanivohitra ireo fianakaviana lasibatra, ka rehefa tonga vao maraim-be tao an-trano, dia akory ny hagagany fa foana avokoa tsy nisy tao an-trano ny entana rehetra izay nohariana nandritra ny taona maro. Ankevitry ny efa fantatr’ireo olon-dratsy nialoha ny fandehanan’ny tompon-trano, ka niliba ireo jiolahy nitaona tsikelikely ireo entana rehetra. Samy nilaza tsy nisy nahatsikaritra ny zava-niseho kosa ireo teo amin’ny manodidina, rehefa nofotorana lalina.
Eric Manitrisa