Telo mianaka no indray namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan’ny tany ny marainan’ny alarobia reo. Tao Ambalavao-Tsienimparihy, ao amin’ny fokontany antsoina hoe Ankofika no nitranga ny loza ary efa maraina tokony ho tamin’ny valo ora latsaka. Tafiditra ao anatin’ny voka-dratsy nateraky ny cyclone Freddy ity tranga ity satria isan’ny toerana voasokajy ho niloko mavo tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza ny faritra misy an’ Ambalavao-Tsienimparihy. Hatreto aloha dia ity tranga mampalahelo ity izany no tena isan’ny mafy vokatr’iny rivo-doza iny. Fantatra koa fa nisy olona izay lasan’ny rano tany Mahanoro. Faritra maro izay tsy dia matetika nandalovan’nu rivo-doza no nitondra faisana tamin’ity indray mitoraka ity. Ny antony dia nitety tanteraka ny afovoan-tany i Freddy izay isan’ny voasokajy ho isan’ny rivo-doza nahery tamin’izay efa nandalo teto. Ho an’ny teto an-drenivohitra indray dia ny fahasimban’ny kodiaran-droa sy ny fiara no betsaka noho ny firotsahan’ny orana tampoka omaly ka nampiakatra ny rano teny amin’ny arabe. Handrasana ny fanomezan’ny BNGRC ny tatitra ofisialy mikasika ny aina nafoy sy ny fahasimbana taorian’ny fandalovan’i Freddy.
D.R