Noho ny fiaraha-miasa tamin’olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy olona antsoina hoe Martin, monina ao Tolia Est – CR Andonaka, voalaza fa manana basy vita gasy, ampiasainy amin’ny fanafihan-dahalo isan-karazany. Tamin’ny alarobia 20 marsa lasa teo dia nirosoana ny fidinana ifotony nataon’ny Police eto Ambalavao. Tra-tehaka tamin’izany izy, niaraka tamin’ireto basy vita gasy miisa roa (2) izay tena mipoaka tokoa, miaraka amina bala izay vita gasy ihany koa miisa valo.
Araka ny filazany dia novidiany tamin’olona (izay mbola karohina) io basy io. Izy kosa efa natolotra ny fampanoavana io maraina io.
Tsiahivina fa tamin’ny volana aogositra 2015, dia nisy Sinoa antsoina hoe « Rolland » avy any Manankara notafihin’ny andian-jiolay mitam-piadiana, ka very tamin’izany ny vola mitentina 500 000 000 fmg sy basy « Maverick » 5 coups iray. Voatifitra tamin’izany ilay Sinoa izay mitondra takaitra mandraka ankehitriny. Niezaka hatrany ny polisy, ka efa misy telo lahy voasambotra tamin’izany ary voatana amin’ny fonjan’i Manakara.
Anastase