- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao Tsienimparihy : Tovovavy iray tra-tehaka niaraka tamin’ny rongony 12 kg, naiditra...

Ambalavao Tsienimparihy : Tovovavy iray tra-tehaka niaraka tamin’ny rongony 12 kg, naiditra am-ponja

Rehefa avy natolotra ny Fampanoavana, afak’omaly, dia nadoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy, ilay tovovavy tra-tehaky ny Polisy nitondra rongony 12 kg, tao an-tampon-tanànan’ Ambalavao Tsienimparihy, ny asabotsy teo.  Teo am-piandrasana taksiborosy hiakatra ho any Fianarantsoa ity ramatoa mpanao trafikana jamalà ity no voasambotry ny mpitandro filaminana, taorian’ny fanomezam-baovao marim-pototra avy tamin’olona tsara sitrapo, izay nilaza fa misy olona mitondra entana mampiahiahy miandry fiara ao. Nidina avy hatrany tany amin’ilay toerana voatondro ireo Polisy mpanao fisafoana, ka rehefa nosavaina ny « sacoche » nentin’ity tovovavy ity, dia rongony 12 kg no tao. Niaiky ny heloka vitany ity tovovavy ity, ary nilaza izy tamin’ny famotorana natao azy, fa tany Ampataka any amin’ny Kaominina ambanivohitry Akaramena, Distrikan’ Ambalavao Tsienimaprihy no nakany an’ireo rongony, ary saika hoentina miakatra aty Antananarivo ireo zava-mahadomelina.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici