- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Vaky trano sy vono olona, 15 voasambotra

Ambalavao : Vaky trano sy vono olona, 15 voasambotra

Nanatanteraka hetsika manokana ho fampiharana ny baiko avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka ao Matsiatra Ambony, ny pôlisy tao Ambalavao, ho famongorana hatramin’ny farany ireo karazan’asa ratsy mpitranga matetika tany an-toerana. Nahitam-bokana tokoa izany, araka ny vaovao azo, satria tao anatin’ny andro vitsy dia efa tafakatra hatrany amin’ny 15 ny olona voasambotra. Olon-dratsy efa mpamerin-keloka avokoa ny ankabeazany, hoy ny vaovao, izay voasaringotra tamin’ny resaka vono olona, halatra ary fivarotana halatra. Nisy tamin’izy ireo no mbola nahitana ireo karazan’entana halatra teny aminy. Marihina fa ny efatra tamin’ireo olona voasambotra ireto dia vehivavy. Tsy hijanona hatreo anefa izany hetsika izany fa hitohy hatrany, hanatratrarana ny tanjona napetraky ny tompon’andraikitra, raha ny fanazavana azo hatrany.

Tsiahivina fa « nanao fidinana ifotony tany an-toerana ny Talem-paritry ny Filaminam – bahoaka Matsiatra ambony, ary nitafa tamin’ireo polisy miasa any an-toerana, nanatanteraka fanentanana mahakasika ny ady amin’ny kolikoly, na ny PILCC(Politique Interne de la Lutte Contre la Corruption). Nandritra izany no nanomezany baiko noho ireo tranga tsy fandriam-pahalemana isan-karazany mety hiseho any amin’iny faritra iny »,  araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny seraseran’ny pôlisy. Notanterahina ary nohamafisina avy hatrany moa ny baiko nomena tamin’ny alalan’ny fikatsahana ireo angom -baovao momba ireo tranga ratsy mpitranga, fanamafisana sy fanatevenana ny fisafoana na andro na alina, fanetsehana ny fiaraha-miasa amin’ny andrimasom-pokonolona ary io nahitàm-bokany io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici