Zandary iray no naratra mafy, voatifitry ny basy nentin’ny namany, ny zoma lasa teo, tany Ankaramena. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, dia nanao fizahana ifotony lozam-pifamoivoizana nitranga tany amin’iny toerana ity ireto zandary roa lahy ireto. Tamin’izay fotoana izay anefa no tapaka tampoka ny “bretelle” nitazona ilay basy teny an-tsorok’ilay zandary iray ary nianjera sy nitontona tamin’ny tany ilay Mas 36 nentiny. Teo no nitranga ny tampoka. Nipoaka avy hatrany mantsy ity basy ity ary niantefa teny amin’ilay zandary iray niaraka taminy ny bala. Voa teo amin’ny ranjony io mpitandro filaminana io raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Nalefa notsaboina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ity zandary ity, izay naratra mafy tokoa vokatry ny tifitra tsy fanahy iniana. Na izany na tsy izany dia tsy maintsy nanokatra fanadihadiana anatiny ihany ny avy amin’ny kaompanian’ny zandary ao Ambalavao, mahakasika ity raharaha ity. Nentina tany amin’ny hôpitaly tany Fianarantsoa moa ilay naratra, raha ny vaovao hatrany, ary efa nahazo fitsaboana.
m.L