- Publicité -
mercredi, mars 4, 2026
AccueilFaits-DiversAmbalavelona ao Andilanatoby : Ankizivavy 50 mahery no efa voa, tovolahy iray no...

Ambalavelona ao Andilanatoby : Ankizivavy 50 mahery no efa voa, tovolahy iray no nosamborina

Izy ilay voalaza fa nanaparitaka ambalavelona.

Rehefa voan’ity aretina mampikiakiaka sy mampiridana, ary tsy maha tompon’ny tenany intsony ireo ankizivavy dia miantsoantso ny anaran’ity tovolahy ity. Nosamborina avy hatrany ny lehilahy, mba ho amin’ny famotorana, hoy ny fampitam-baovao azo.

Nanomboka ny voalohandohan’ny volana, ny faha-10 ny volana martsa teo, raha ny vaovao azo no nanomboka nihanaka tao amin’ny kaominina Andilanatoby, distrikan’Ambatondrazaka, ny aretina ambalavelona. Aretina hafahafa izay miseho amin’ny alalan’ny tanana sy tongotra miha-ngoly, tsy fahatsiarovan-tena, fikiakihana sy fitomaniana tampoka. Lasa miridina tsy tana intsony nony avy eo. Ao anatin’izany aretina mahazo azy ireo izany anefa dia mibedibedy anaran’olona ireto ankizy voa ireto. Ny mahagaga sy mahazendana ihany dia saika anaran’olona iray, mitovy no ventesin’izy ireo. Anaran’ny tovolahy iray eo an-tanana ihany. Izay zavatra izay no nanintona ny mpitandro filaminana tany an-toerana hitodika any amin’ity tovolahy sy hikaroka ny misy azy. Tetsy andanin’izay ihany koa moa, noho ny antony izay sokajiana ho fanakorotanana fiaraha-monina, ankoatra ny resaka mosavy, dia nosamborina avy hatrany ity farany ny faran’ny herinandro teo. Nentina natao fanadihadiana, mahakasika ny zavatra manjo ireto ankizy mpianatra ireto.

Marihina tokoa mantsy fa saika ankizivavy sy tovovavy manodidina ny 13 ka hatramin’ny 19 taona no tena voany, raha ny vaovao azo avy amin’ny zandary. Nanomboka tao amin’ny sekoly tsy miankina iray tao an-toerana ity tranga ity. Taty aoriana anefa dia tsy nijanona tao intsony fa nitatra ary nahitàna mpianatra voa ihany koa tamin’ny sekolim-panjakana tao an-toerana. Raha ny vaovao azo hatrany dia nahatratra tany amin’ny 14 tany ho any ny isan’ireo ankizivavy mpianatra voa tam-boalohany, ary efa nahatratra 50 mahery izy amin’izao, ary misy hatrany ireo voa. Ho an’ireo mpitsabo any an-toerana dia tsy dia misy loatra ny fanafody ahafahana misoroka izany tsy hianaka. Ny torohevitr’izy ireo dia hoe fihinana « calcium » fotsiny aloha, ary tokony homena izany na ireo voa na ireo mbola tsy voa. Ny hany herin’ireo ray aman-dreny dia ny mitondra ireo ankizy voa any amin’ny toeram-pivavahana, izay hita aloha hatreto fa mampitonitony ireo olona voany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici