Nandritra ny roa volana teo izay dia nirongatra be ihany koa ity resaka ambalavelona ity tao amin’ny kaominina Antanimenabaka, distrikan’Andilamena. Nahatratra am-polony maro ireo ankizivavy tratra, ary mbola mpianatra avokoa, raha ny nambaran’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary ao Andilamena. Re ny feo taty aoriana fa misy tovolahy iray mety ho tompon’antoka tamin’ny fampidirana io ambalavelona io tamin’ireo ankizivavy ireo, na tamin’ny iray tamin’izy ireo. Nisy ihany koa ny fitoriana napetrak’ireo ray aman-dreny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ity tompon’andraikitra voalohany teo anivon’ny zandary tany an-toerana ity, tamin’ny fanokafana ny fanadihadiana. Niroso tamin’ny fisamborana, ny faran’ny herinandro teo, ary tonga hatramin’ny fisavàna ny tranon’ity tovolahy ity mihitsy. Tra-tehaka tsy afa-niala intsony ireo porofo marobe : nisy sarin-tovovavy iray mpianatra, kilasy famaranana tao aminy, ravahina tapa-kazo sy karazan-javatra maro tsy fantatra anarana, azo kilasiana ho ody gasy. Nentina avy hatrany natao fanadihadiana ity zalahy ity, ary niaiky tsara tamin’ny famotorana natao azy fa izy no tompon’antoka nandefa io ambalavelona io, tamin’io tovovavy mpianatra io. Marihina fa vao 21 taona ny lehilahy ary mpianatra ihany koa ao amin’io kaominina io, saingy avy any ambanivohitry ny kaomina hafa fotsiny. « Notazominay natao andrimaso moa ity voasambotra ity ary atolotra ny Fampanoavana anio, raha tsy misy ny fiovàna », hoy hatrany ny fanazavana azo.
Marihina fa enjehin’ny lalàna famaizana eto amintsika ny famosaviana, indrindra fa hita porofo mivantana tahaka izao. Etsy andanin’izay, azo sokajiana ho herisetra mihatra amin’ny mahalahy na mahavavy ihany koa ny nahazo ilay tovovavy, satria dia simba tanteraka ny fianarany noho ilay aretina nalefa tao aminy. Ankoatra ny lalàna famaizana araka izany dia anisan’ny azo anenjehana azy ihany koa ny lalàna mahakasika ny herisetra mihatra amin’ny mahalahy sy mahavavy (VBG) hoy hatrany ny fanazavana azo.
m.L
Ilay vaovao mikasika ny mpamosavy, ambalavelona, mpiandry, hazo kely, devoly par ci devoly par là, dia tena mankaleo.
Izany ve dia hanaovana article.
Tsy normal ve hoe jeune 21 ans manofinofy hiaraka @ tovovavy. Dia nisy sary tany @, dia nozahavana devoly ( tapa kazo sns) tany aminy.
Efa inpiry hanaovany vazaha reportage ilay malagasy hafahafa ohatran’ireny.