- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbandrika : Nanatitra basy tsy ara-dalàna ny ben’ny tanàna

Ambandrika : Nanatitra basy tsy ara-dalàna ny ben’ny tanàna

Ahitam-bokany hatrany ny fanentanana ny fiaraha-monina ny amin’ny tokony hanaterana ny basy tsy ara-dalàna mandritra ity volan’ny famotsoran-keloka amin’ny basy tsy ara-dalàna ity. Ny 24 novambra tamin’ny fito ora maraina, tonga niseho tao amin’ny biraon’ny Zanatobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Lokomby ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Ambandrika, any amin’ny Distrika Manakara, nanatitra basy vita tanana iray. Nanambara ity manam-pahefana ity, fa ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo no nisy nanatitra teo an-tokontanin’ny Kaominina io basy io, tokony ho tamin’ny 03 ora maraina no hitan’ny mpiambina. Nanamafy ity olom-boafidy ity, fa noho ny fanentanana maro ataon’ny Zandarimaria na eny an-kianja io na amin’ny tambazotram-pifandraisana, ary indrindra amin’izao iray volana tsy hanasaziana ireo olona manatitra basy tsy ara-dalàna an-tsitrapo izao no nahatonga io fanaterana basy gasy io, izay mbola tsy fahita mihitsy tany amin’iny faritra iny. « Atero, avereno, apetraho amin’ny fanjakana ny basy tsy ara-dalàna. Ho anao manana basy, manana havana mitazona basy, manana namana mitana basy, mahafantatra olona mbola mitazona basy tsy ara-dalàna. Ny atao hoe : basy tsy ara-dalàna dia basy vita tànana, basy tsy misy taratasy, basy tsy ara-dalàna ny taratasiny (tsy vita fanavaozana, tsy vita famindràm-pihazonana, tsy ampy antontan-taratasy, . . . Tsy azo afenina any am-bata ireny, tsy azo afenina anaty lavaka, tsy azo afenina anaty bozaka, fa aleo aterina amin’ny tobin’ny Zandary akaiky anao. Ary tsy misy arakaraka ny momba anao raha manatitra izany ianao hatramin’ny 15 desambra 2021 ». Ireo no fanentanana ampitampitaina mandeha amin’ny haino aman-jery sy vaky jery rehetra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici