Nihena iray indray aloha ireo mpitarika andian-jiolahy eny amin’iny faritra Itaosy sy ny manodidina iny. Ny zoma hifoha sabotsy lasa teo mantsy, dia jiolahy rain-dahiny, fantatra amin’ny anarana hoe Rivo, 35 taona no maty voatifitry ny pôlisy, teny Ambaniala. Tao anatin’ny fisafoana mahazatra fanaony ireo pôlisy avy amin’ny kaomisarian’Itaosy no nifanehitra tampoka tamin’ity olon-dratsy ity niaraka tamin’ny namany iray. Nitsoaka avy hatrany ireto farany, ka raikitra teo ny fanenjehana. Taorian’ny fampitandremana maromaro, dia voatery nitifitra ireto mpitandro filaminana ka lavo tamin’izany i Rivo, tafaporitsaka ilay namany. Mbola hita teny amin’ity voatifitra ity moa ny basy poleta vita gasy iray, izay fentiny manao fanafihana. Raha ny fampitam-baovao, dia isan’ireo olon-dratsy karohina fatratra ao anatin’ilay « bande des 7 » ity olon-dratsy ity. Ireo andian-jiolahy ireto, izay efa tena mpampitondra faisana ireo mponina teny amin’iny faritra Ambaniala, Itaosy sy ny manodidina iny. Fantatra ihany koa fa, efa voarohirohy tamina resaka fanafihana mitam-piadiana i Rivo ary efa nigadra teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy noho izay resaka izay, kanefa dia izao niverina nanangana ny ekipany izay sy nanohy ny asa ratsiny izao. Mbola mitohy hatrany moa ny fikarohana ireo namany, ary tsy mijanona torak’izany ihany koa ny fisafoana ireo faritra mena, eny amin’iny faritra iny, izay isan’ny tafiditra ao anatin’ilay hetsika « coup de poing », izay tanterahan’ireo polisin’ny kaomisaria Itaosy.
m.L