Mahatratra hatramin’ny 180 fonosana rongony isan’andro no lafon’ity ramatoa iray voasambotry ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny alarobia lasa teo, tetsy Ambaniala. Tamin’ny fisamborana azy dia mbola nahitana fonosana rongony 300 tao aminy. Araka ny tati-baovao azo avy tamin’ny pôlisy, dia nahazo vaovao izy ireo mahakasika ny fisiana olona manaparitaka rongony teny amin’iny faritra Itaosy iny. Nidina avy hatrany teny an-toeran’ ireo mpitandro filaminana ka tratra am-bodiomby, mbola teo am-pivarotana izany ilay ramatoa 34 taona. Tamin’ny fisavana ny tranony no nahitana ireo ambin’ny fonosana rongony aman-jatony ireo. Efa nanao izany fivarotana rongony ho asa mihitsy moa ity ramatoa ity, araka ny filazany tao anaty famotorana. Eny amin’iny faritr’ Ambohimanarina iny izy no maka izany ary manodidina ny 20.000 ariary eo ho eo ny hividianany ny iray « sachet » izay tsinjarainy ho 60 fonosana. Taorian’ny famotorana azy moa, dia fantatra fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana hitadiavana izay tena mpamatsy ambongadiny ity zava-mahadomelina ity.
m.L