Omaly maraina tokony ho tany amin’ny 9 ora tany ho any, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Ambanidia, tsy lavitra loatra ny biraon’ny paositra. “Camion” iray no voalaza fa tapaka “frein” ary dia nandona fiara dimy hafa. Bebe ihany fahavoazan’ireo izay voadona ary nisy mihitsy aza ny olona naratra. Tafajanona ihany anefa ilay fiarabe rehefa nandona ny fiara fahadimy. Nitohana izay tsy izy lanana. Ireo mpampiasa an’izany dia nahatsapa mihitsy fa na dia tsy misy loza aza, efa sarotra ny mandeha amin’ilay lalana iny noho ny afitsoky ny fiara mpitatitra mijanona mibahana lalana, sady tsy miraharaha ny mpanjifa sasany fa izay ‘tiany ihany io”, hoy ny fiten’ireo mpandray vola.
Fa ankoatra ny teny Ambanidia ity, omaly alina tany amin’ny 9 ora latsaka kely tany, nisy lozam-pifamoivoizana niseho koa teny Andranomena. Fiara telo sy moto iray no nifandona. Bebe ihany ny fahavoazana tamin’izany. Ny antony nahatonga ity “accident” ity tsy mbola fantatra mazava. Tato ho ato, maro dia maro ny lozam-pifamoivoizana niseho manerana ny faritra maro. Nisy ny namoizana ain’olona sahala ny tany Antsohihy sy tany Betafo. Amin’izany rehetra izany, voalaza fa fototry ny loza ny tsy fitandremana avy amin’ny mpamily sy ny fandehanana mafy loatra. Tery dia tery anefa ny lalana eto amintsika tsy ahafahana mampiseho ny herin’ny fiara.
r.s.