Hatairana ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Miandrarivo Ambanidia iny, ny alatsinainy hariva teo. Nanakoako teny an-toerana, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany teo ny feon-javatra nidoboka mafy dia mafy. Rehefa nitangorona ny olona dia fantatra fa dinamita nipoaka izy io. Raha ny voalazan’ireo mponina teny an-toerana, nisy olona nanapoaka dinamita mba hanapotehany vatobe izay teo an-tokontaniny. Raha ny fantatra hatrany dia misy fahazoan-dàlana omena tompon’andraikitra mahefa, avy amin’ny ministeran’ny harena an-kibon-tany, vao afaka manapoaka ireny fitaovana mahery vaika ny olona. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, raha ny loharanom-baovao hatrany dia voalaza fa tsy nahazoana alàlana ny nanapoahan’ireo olona an’ity baomba famakiana vato ity. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa, nisy fahasimbana teo amin’ny manodidina tamin’ity fipoahana ity. Trano iray teo akaikin’ilay toerana no nivava vokatry hamafin’ny fipoahana. Olona iray efa narary no voatery nalefa teny amin’ny toeram-pitsaboana, taitra noho ny fisian’ity fipoahana mahery vaika teny Miandrarivo ity, araka ny fantatra hatrany teny an-toerana.
m.L