- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Fatim-behivavy nisy ratra tao anaty trano

Ambanidia : Fatim-behivavy nisy ratra tao anaty trano

Tombanana ho efa roa andro lasa no nahafatesan’ilay ramatoa manodidina ny 60 taona, raha araka ny fijerin’ny manampahefana. Nisy ratra ny vatan’ilay razana ary efa namoaka fofona. Izany no hita tetsy Volosarika-Ambanidia omaly. Nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana sy ny fokontany ary tonga teny an-toerana koa ny “médecin légiste”. Niforitra kely ny vatan’ilay ramatoa ary mandeha ny feo fa mety niharan’ny fanolanana izy nialohan’izay mety ho famonoana azy. Noraisin’ny polisy misahana ny raharaha ady heloka bevava ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity. Olona roa izany tao anatin’ny roa andro no hita faty irery tao an-trano. Raha tsiahivina dia nisy teratany vahiny koa hita tapa-doha tetsy Ampandrana ny alatsinainy teo. Efa herintaona izy io no tsikaritry ny olona ho tsy hita nandehandeha intsony. Tsy hita raha tsy efa maty ary koa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Samy mandeha avokoa ny fanadihadiana ireo heloka bevava roa karazana ireo ankehitriny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici