- Publicité -
mardi, septembre 30, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Fiara 205 may kila forehitra

Ambanidia : Fiara 205 may kila forehitra

Fiara kely iray, marika Peugeot 205 no kila forehitra sy tsy nisy azo noraisina intsony omaly hariva tetsy Ambanidia. Hatairana avokoa ny an’ireo mponina teny an-toerana raha nahita ity afo niredareda teo am-povoan’arabe. Raha ny fanazavana azo hatrany dia tokony ho tamin’ny enina sy sasany ora hariva teo no nitranga ny loza. Efa iaraha-malala ny fitohanana n’aiza n’aiza eto an-drenivohitra. Tao anatin’izany mihitsy no namoaka setroka ny lohan’ity fiara kely ity. Nivoaka ny mpamily ary nanainga ny saron’ny môtera. Jolofotrana setroka sy afo avy hatrany no nivoaka avy tao anatin’ity fiara ity. Nahay niala sy nitsoaka lavitra araka izany ny mpamily, izay tsy nisy afa-tsy izy ireny no tao anatin’ilay fiara, ka avotra soa aman-tsara. Niredareda ny afo teo am-povoan’arabe. Samy nihatakataka avokoa ny rehetra. Niezaka ny namono izany ihany ny sasantsany tamin’ireo mponina saingy indrisy fa tsy nisy azo natao intsony. Fotoana vitsivitsy taorian’ny fiheretana no tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina. Ary minitra maromaro dia voafehy tanteraka ny afo. Pitik’afo nahazo ny fantsona nitondra lasantsy, nanary tamin’io fotoana noho ny fahavakisana, tsy nahazaka ny hafanana nateraky môtera no antony nahatonga ity loza ity. Tsy nisy aina nafoy na ny naratra raha ny vaovao azo teny an-toerana hatrany. Niverina nirindra tamin’ny laonina ihany ny fifamoivoizana taorian’izay.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici