- Publicité -
vendredi, mai 30, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Fiara iray may kila forehitra

Ambanidia : Fiara iray may kila forehitra

Fiara iray marika “Volswagen” no nirehitra tetsy Ambanidia, omaly hariva tokony ho tamin’ny roa ora tany ho any. Niredareda ny afo, may kila forehitra tsy nisy noraisina ity fiara ity. Araka ny filazan’ireo mpamonjy voina, izay tonga fotoana vitsy monja teny an-toerana dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Azo eritreretina ho tselatr’afo naharay fitoeran-dasantsy no nampidedaka ny afo. Karazan’irony fiara tranainy irony rahateo ity fiara nirehitra ity. Tsy nisy ny aina nafoy na ny olona naratra, saingy indrisy fa fatim-by midona-tsetroka sisa no navelan’ny afo mpandrava. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany no azo atao mba hisorohana ny loza toy izao. Indrindra fa eo amin’ny resaka herinaratra amin’ny fiara.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser