- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Fiara marika R21 may kila firehitra

Ambanidia : Fiara marika R21 may kila firehitra

Hatairaina ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Ambanidia iny, omaly hariva tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany teo ho eo. Fiara iray R21, no nirehitra sy kila hotohoto, raha tao anaty fitohanana. Toy ny mahazatra dia saika ahitana fitohanana foana iny faritra Ambanidia iny, manakaiky ny paositra. Tampoka teo anefa, niredareda tsy nisy toa izany ny lela afo avy tamina fiara iray, teo am-povoan-dalana. Nisomaritaka ny olona. Ary samy nanao izay ho afany avokoa namono ity afo. Tokony ho tamin’ny 7 ora teo ho eo kosa no tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina, niezaka nifehy ny afo ary fotoana fohy dia maty tanteraka izany. Tsy nisy noraisina, fatim-by midona-tsetroka sisa no hany navelan’ilay afo mpandoro. Araka ny fanazavana azo tamin’ny pôlisy izay nandray ny andraikiny avy hatrany teny an-toerana dia tselatr’afo « court-circuit » nihazo ny fitoeran-dasantsy, izay efa nisy very ihany koa no nahatonga ny loza. Soa ihany fa nalaky nivoaka tao anaty fiara ireo olona tao anatiny. Tsy nisy araka izany ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’ity loza nitranga, araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro filaminana hatrany. Fa tamin’ity herinandro ity izay dia fantatra fa maro ny fiara no nirehitra. Ankoatr’io teny Ambanidia omaly hariva io mantsy dia, fiara iray, marika « Super 5 » ihany koa saika levon’ny afo tetsy Analakely, akaiky ny Lapan’ny tanàna, ny sabotsy lasa teo. Mbola loza nateraky ny tselatr’afo avy amina « court-circuit » ihany koa no nahatonga ny loza. Vetivety foana dia voafehy ny afo tamin’io fotoana io, noho ny fifanampian’ireo olona teny amin’ny manodidina sy ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser