- Publicité -
samedi, novembre 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Fiara-na polisy sy « taxi-be » nifandona, nandratra mpitondra bisikileta

Ambanidia : Fiara-na polisy sy « taxi-be » nifandona, nandratra mpitondra bisikileta

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny Ambanidia, manakaiky ny “pharmacie”, omaly maraina tokony ho tamin’ny 6 ora sy fahefany teo. Fiara-na polisy indray no nahafaoka mpandeha bisikileta iray ka nandratra azy. Tafavily tany amin’ny làlana tsy tokony nalehany mihitsy ilay fiara ka nifatratra tany amin’ilay mpandeha bisikileta izay tsy nanam-po na inona na inona. Voatsindry tanteraka tao ambanin’ilay fiara ity farany. Vokany: voa mafy ny lohany sy ny tongony. Niparitaka eran’ny arabe ihany koa ireo entam-barotra notateriny tamin’ny bisikiletany saika hamidiny. Marihina fa rehefa avy nifandona tamin’ilay mpitondra bisikileta ity farany dia mbola nanohy ny diany hatrany hany ka nifandona tamina “taxi-be” 164 ihany koa. Samy simba avokoa ny lohan’ireo fiaran’ny roa tonta. Tsy nisy kosa anefa ny naratra na ny aina nafoy. Efa nentin’ny olona teny amin’ny hopitaly ihany koa ilay mpitondra bisikileta. Rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy dia nalefa nody fa tsy nisy nahiana ny ainy.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici