- Publicité -
mercredi, juillet 30, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Grenady hita tany ambany fiara

Ambanidia : Grenady hita tany ambany fiara

Hatairana ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Ambanidia iny ny sabotsy hariva lasa teo, raha teo am-pahitana ity karazan-javatra hafahafa tao ambany fiara iray, nipetraka teo amoron-dalana. Miendrika bolongam-by, mitovy tsy misy valaka amin’ny grenady fampiasan’ireo mpitandro filaminana ity zavatra ity. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ireo nahita an’ity zavatra ity fa tsy nisy sahy nikasika. Tetsy andanin’izay kosa, tsy nanao ambanin-javatra ny tranga toa izao ireo nantsoina. Ireo pôlisy nofanina manokana amin’ny tranga toy itony no marobe tonga teny an-toerana. Araka ny fanazavàna azo dia tena “grenady” tokoa ity hitan’ny olona ity. Saingy irony fampiasa amin’ny fanazaran-tena ataon’ireo mpitandro filaminana irony. Na izany anefa na tsy izany, fitaovam-piadiana, ary tena mipoaka sy mandratra. Araka izany nieren-doza tanteraka ireo mponina teny an-toerana tamin’io fotoana io. Ny fanontaniana mipetraka kosa dia ny hoe, saika hatao inona ity grenady ity. Sendra latsaka ve, sa nataon’izay nitondra azy fanahy iniana natsipy teo mihitsy, hamerenana ny toy ny tamin’ny fetin’ny fahaleovan-tena. Ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana ihany angamba no ahafahana mahalala izany. Fantatra moa fa ireo polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy no misahana ny raharaha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici