- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Jiolahy iray tratra am-bodiomby teo am-pamakiana trano

Ambanidia : Jiolahy iray tratra am-bodiomby teo am-pamakiana trano

Tsy mandry fahalemana mihitsy ny eny amin’ny faritra Ambanidia eny tato ho ato. Manao ny ataony mihitsy ireo jiolahy, eny fa na dia amin’ny andro antoandro aza, toy ity tranga niseho omaly ity. Lehilahy iray no tra-tehaky ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa namaky trano tetsy Ambanidia, omaly Alahady tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Nahazo antso tamin’ny finday ny Polisy, fa misy olona  03 mamaky trano ao amina tokontrano iray etsy Ambanidia. Tsy niandry ela fa 10 minitra taorian’io antso io dia tonga teny an-toerana ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa. Vokany Tratra am-bodiomby ilay mpanao ratsy; izay vao 21 taona monja raha efa tsy hita kosa ny namany  roa. Mbola tratra teny amin’ity jiolahy ity ny finday  02 sy « ordinateur portable » iray nangalariny. Marihina, fa teo am-pivoahana ny trano no tra-tehaka ity jiolahy ity raha efa lasa kosa ny namany. Raha ny fantatra, dia gourmettes volafotsy  roa sy peratra volamena iray ary tablette iray no lasan’ireo roa lahy tafaporitsaka.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici