Mihamivoatra isan’andro lava izao tokoa ny paik’ady entin’ireo olon-dratsy manao ity halatra môtô ity. Ny herinandro lasa teo dia tovolahy iray no naratra mafy voatifitr’ireo olon-dratsy, rehefa notafihan’izy ireo teny am-pandehanana, teny amin’iny faritra Ambanidia iny.
Lasan’ireo olon-dratsy ny kodiaran-droa nentin’ity tovolahy ity. Araka ny angom-baovao azo, dia voalaza fa efa narahin’ireto olon-dratsy, izay marihina fa nitondra fiara, taoriana ity mpitondra môtô ity, efa hatrany Manakambahiny any. Nony tonga teo Miandrarivo Ambanidia dia somary nodomin’izy ireo kely ity kodiaran-droa teo alohany ity. Ka iny vantany vao nianjera iny no nivoaka ny iray tamin’ireo tao anaty fiara, ary handeha hitondra ilay kodiaran-droa, marika Yamaha. Tsy dia naninona tamin’ilay fianjerana ilay tovolahy mpitondra azy ka mbola afa-nanohitra. Tamin’io fotoana io anefa no avy hatrany dia navoakan’ilay mpanafika ny basy tany aminy ary notifiriny tsy am-pihambahambana ity farany. Nandriaka ny rà. Nandritra izay kosa no lasan’ireo jiolahy ilay kodiaran-droa. Noezahina nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana kosa taorian’izay ilay tovolahy, izay tena naratra mafy tokoa, raha ny vaovao azo.
Tsy vao izao tokoa no nahenoana ity fomba fangalarana môtô eny am-pandehanana ity fa efa nisy tranga maromaro teto an-drenivohitra. Ny paik’adin’izy ireo dia miandry ireo olona irery mandeha kodiaran-droa amin’ny alina. Ireo vehivavy no saika tena lasibatra tamin’izany. Misy efa-dahy na telo lahy amin’izay, izay mandeha kodiaran-droa ihany koa, manenjika izany olona izany, ka raha vao sendra lalana tsy dia misy fiara mandalo amin’izay no hanatanterahan’izy ireo ny asa ratsiny. Mazàna dia tsy misy mahita tsy misy mahatsikaritra ny zava-nisy, raha tsy ireo lasibatra no manao fitairanana eny anivon’ny mpitandro filaminana, na ao anaty tambajotra sosialy.
m.L