- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Lehilahy misandoka ho zandary, mitaky vola aman’olona

Ambanidia : Lehilahy misandoka ho zandary, mitaky vola aman’olona

Fa dia tena mampitsiriritra aok’izany ve ity asana mpitandro filaminana ity e ? Lehilahy iray indray mantsy no voapaingotry ny pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany faharoa ny alarobia lasa teo, teny Ambanidia. Nisandoka ho zandary kilasy faharoa ranamana. Mazava ho azy fa fitafian’ny zandarimariam-pirenena mihitsy no nanaovany tamin’izany, ary entiny hakàna vola aman’olona izany fisandohana andraikitra izany. Raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra dia tsy vao izao ity lehilahy ity no manao asa fisolokiana. Tsy eto an-drenivohitra ihany koa, araka ny fanadihadiana natao azy fa efa tongany hatrany Tsiroanomandidy. Tao amina hôtely iray teny amin’iny faritra Ambanidia iny no nahatratrarana an’ity zandary sandoka ity. Rehefa somary nampiahiahy ny tompon’andraikitry ny hôtely ny fihetsiny, ary nandà ny handoa tanteraka ny vidin’ireo sakafo laniny izy (satria angamba hoe “sefo” ?) dia voatery nampiantso mpitandro filaminana –tena izy- izy ireo. Raha ny fijery azy ety ivelany tokoa aloha dia hoe “zandary” tsy azo lavina, saingy rehefa notakian’ireto pôlisy ny karatra maha-zandary azy dia tsy misy izany. Nanaiky ny hilefitra avy hatrany anefa ity lehilahy ity rehefa tonga ireo pôlisy. Niaiky avy hatrany fa tsy tena izy akory fa mba “akanjo nampindramina azy” fotsiny no nanaovany. Iza ary ilay nampindrana ? Raha ny fanazavàna azo hatrany dia nanonona olona, izay lazainy fa rahalahiny tena “zandary” izy ka tamin’ity farany no nahazoany ireto fitafiana mpitandro filaminana ireto. Inoana fa tsy hijanona hatreto amin’ny fahazoana ity mpisoloky ny fanadihadiana fa mba hitohy hatrany amin’ny fototra nahazoana ireo fitafiana. Raha izay mantsy no nitohy, mety tsy ny fitafiana intsony no nindraminy fa hatramin’ny fitaovam-piadiana. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany ity lehilahy te ho mpitandro filaminana mafy ity. Saingy tsy izay ilay “hiaro ny vahoaka ny fananany” izay no tena nahamaika azy fa ny hambotry ny vahoaka amin’ny fanaovana kely tsy mba mamindro, ny ekôlazy sy ny tariny, satria manam-pahefana …sandoka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici