- Publicité -
dimanche, septembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Mirongatra ny mpamaky fiara, lasan’ireo olon-dratsy hatramin’ny motêra

Ambanidia : Mirongatra ny mpamaky fiara, lasan’ireo olon-dratsy hatramin’ny motêra

Tsy vitan’ny “autoradio” sy ny “batterie” intsony amin’izao fotoana izao no alain’ireo tsy vanona mpamaky fiara fa mivoatra amin’ny ambonimbony, ary lasan’izy ireo hatramin’ny … môtera. Na aiza na aiza tokoa amin’izao fotoana izao dia tsy misy tsy mikaikaika ireo tompona fiara, mametraka izany any amin’ireny toerana fametrahana fiara ireny na ireo mametraka izany eny amoron-dalana. Mirongatra izay tsy izy mantsy ireo olon-dratsy mamaky sy mandroba fiara. Talohaloha teo ny teny amin’iny faritra Ampasampito, Anjanahary sy Manjakaray iny. Lasa ny “parebrise”, manjavona ny “batterie”-n’ny fiara, miaraka amin’ireo kodiarana efatra. Amin’izao fotoana izao, mivoatra indray izany satria dia vitan’ireo olon-dratsy mihitsy ny maka ny môtera ao anatin’ireo fiara kelikely, toy ny 4L sns, mijanona amin’ny alina eny amoron-dalana, eny fa hatrany anaty “parking” aza. Toy izay nitranga teny amin’iny faritra Ambanidia iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy vitan’izay, hoy hatrany ireo izay efa nandalovan-dramaka, fa rehefa tsy ahitany na inona na inona ao anaty fiara dia simbainy avokoa ireo “capitonnage” amina seza sy ny atin’ny fiara rehetra. Ny ao anaty “capot” dia tsy lazaina intsony, satria dia lasan’izy ireo avokoa rehefa kojakoja azo esorina rehetra, eny hatramin’ireo fitaovana elektrônikan’ny fiara aza. Raha ny vaovao dia saika ireo fiara sarotra ahitana kojakoja no tena lasibatra amin’izany. Manainga ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny araka izany mba hijery akaiky ireo tranga ireo. Mila fanahara-maso akaiky ihany koa ireo mpivarotra kojakoja, maniry ohatry ny anana eto an-drenivohitra. Tsy lavitra mantsy fa eny amin’ireny toerana ireny ihany no hamarotan’ireo olon-dratsy ireo kojakojan’ny fiara nangalariny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici