Azo lazaina fa tsy milamina ny eny amin’iny faritra Ambanidia iny tato ato. Mateti-pitranga ny fanafihana sy fandrobana eny an-dalambe, indrindra amin’ny fiandohan’ny alina iny. Araka ny fantatra dia tsy olona lavitra intsony no manao io asa ratsy io fa ny eo an-tanàna ihany, raha araka ny fanadihadiana. Mpanao gazety iray handeha hamonjy fodiana no niharan’izany ny sabotsy lasa teo. Vao niala taxi teo akaikin’ny trano fonenany izy dia tovolahy maromaro izay fantany tsara ary efa fahitany eo an-tànana avokoa no tonga dia nanendaka azy ka naka ankeriny ny kitapo sy ny vola teny aminy. Vita izay dia lasa nitsoaka tany an’elakelantrano avokoa ireo bandy ireo. Manaitra ny sain’ny manam-pahefana mahefa ny mponina eny an-toerana mba handray andraikitra manoloana izao tranga izao.
m.L