- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Nambanana basy ny olona izay nifanena

Ambanidia : Nambanana basy ny olona izay nifanena

Vetivety dia tonga ny polisy ary nanao fisafoana haingana.

Omaly amin’ny andro antoandrobe nanahary no nitranga ilay fanafihan-jiolahy. Manodidina ny tamin’ny 11ora sy sasany, no nisy lehilahy iray manao kasikety sy fanamiana ara-panatanjahan-tena, namoaka basy teo imason’olona. Tao anaty elakelan-trano kely no niseho izany fampihorohoroana izany, ary dia notohizany teo imason’olona ny tanjony, dia ny famakiana ny trano iray tao an-toerana. Ary dia notanterahiny tokoa. Nisaoty tamboho izy dia niakatra teo amin’ny lavarangana teo amin’ny rihana voalohany. Novakiany indray avy eo ny varavaran-kely ka nahatafidirany tao anatin’ilay trano. Nakorontany ambony ambany ny tao anatiny tao ary naharitra fotoana elaela izy no nikaroka izay mety ho azony robaina. Niparitaka eran’ny trano ny toerana misy ny firavaka ary soa fa mba tsy dia nisy azo nobataina loatra tao anatin’ity fanafihana ity. Vita izay, dia novakian’ilay jiolahy indray ny varavaran-kely hafa taorian’ilay trano ary saika hitsambikina teo izy no niova hevitra tampoka raha nahita fa hantsana be ny taoriana. Voatery tsy maintsy niverina tamin’ny lalana izay nidirany indray, dia avy tany amin’ny lavarangana izany. Efa nanomboka vory ny olona teo kanefa samy niala tsimoramora avokoa raha vao nofahanan’ity jiolahy ny basy P.A teny an-tànany. Teo izy dia tsy nitsoaka nihazakazaka akory fa nandeha an-tongotra moramora, toa tsy misy ahiana na ny kely aza. Tsy mbola voamarika tsara ny tetin’ny entana very ary omaly ihany dia efa nametraka ny fitoriana teo anivon’ny « brigade criminelle » etsy Anosy ny tompon’ny trano. Soa fa mba tsy nisy olona tao anatin’ilay toerana tamin’ny fotoana nandalovan’ilay jiolahy, satria nitontona tamin’ny lera izay nivoahan’izy mivady nandeha niantsena izany. Ny manodidina no nahita mivantana, saingy tsy afaka ny nanao na inona na inona raha vao nahita ny basy nirangaranga sy nofahanana. Vetivety dia tonga ny polisy avy ao amin’ny « Service Anti-Gang » sy ny « Brigade Criminelle » ary ny avy ao amin’ny boriborintany faharoa raha nisy nampandre ara-potoana. Na izany aza anefa, efa tsy hita intsony izay nanjavonan’ilay jiolahy na dia natao aza ny fisafoana teo amin’ny manodidina. Zarazara hoditra, manao kasikety, manao « survêtement » ary mitondra kitapo, izay no hany tadidin’ny olona. Ankoatr’izay, dia hadinon’ilay jiolahy teo an-tokotany ny kitapo mainty izay nentiny. Rehefa nojeren’ireo polisy mpikaroka porofo (police scientifique) ny tao anatiny, dia nisy antsy lava sy antsy fohy ary satroka jobo. Nivarahontsana ny manodidina ary nahatsapa, fa tsy afa-nanoatra noho ny fisian’ny hery tsy mitovy, dia ny basy izany. Nanaram-po arak’izany ilay jiolahy ary izany dia teo imason’ny maro. Mampanahy hatrany ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici