- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Polisy nidaroka imasom-bahoaka nosamborina

Ambanidia : Polisy nidaroka imasom-bahoaka nosamborina

Amin’ny andro antoandro ary eo imasom-bahoaka no nidaroka olona ilay polisy manao fanamiana. Tetsy Miandrarivo-Ambanidia no niseho izany herisetea nataon’ny mpitandro ny filaminana iray izay. Lehilahy izay nitrotro zaza menavava no tsy nananan’ilay polisy antra ary notifiriny totohondry no sady nofinganiny. Niezaka ihany ny olona niteny saingy tsy nahasakana azy tsy hanohy ny daroka izany. Soa fa mba nisy olona tsara sitra-po izay naka horonan-tsary tamin’ny finday. Vetivety dia niely izany ary nanaitra ny besinimaro, tonga hatrany amin’ny ministeran’ny polisy ny akony. Teo ihany dia nisy ny baiko ny hisamborana tsy misy hataka andro ilay polisy. Nanokafana fanadihadiana izy ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela, ankoatra ny fiakarany eo anivon’ny filankevitra misahana ny fitsipi-pitondran-tena (conseil de discipline). Omaly dia nanambara ny minisitry ny polisy fa manameloka tanteraka ireny fihetsika ireny, indrindra raha polisy izay natao hiaro ny olona indray no nikasi-tànana sy namono. Nandrisika ny olona ity minisitra ity ny mba tsy hisalasalan’ny olona hitory avy hatrany eo anivon’ny « inspection générale de la police » rehefa mahita na niharan’ny tsy mety avy amin’ny polisy. Nisaoran’ity tompon’andraikitra ambony ity ny olona naka sary sy nizara izany ka nahafahana nandray fanapahan-kevitra teo anivon’ny polisim-pirenena. Momba ity raharaha ity dia niteraka faharatràna tamin’ilay lehilahy voadaroka ny herisetra nanjo azy. Mba tsy naninona kosa ilay zazakely na dia somary niakatra aza ny hafanany noho ny tahotra sy ny hatairana, raha ny filazan’ny fianakaviany. Nisy ny fandraisana an-tànana ara-pahasalamana azy mianaka. Nisy ny olona nilaza fa tezitra ilay polisy noho ny fisian’ny akoho mpiadiny izay hita faty vao maraina omaly. Noahiahiany ho ilay lehilahy no namono izany ary nanamparany ny hatezerany tamin’ny alàlan’ny daroka samihafa, raha araka io fanazavàna izay ny any anatin’ny fakàna am-bavany no hanamarina na tsia an’izany. Voatositosika ilay zaza nandritra ilay fikasihan-tànana ary tsy nisy sahy niditra an-tsehatra nandritra izany fa dia samy nitabataba avy lavitra fotsiny. Ramatoa iray no mba nanakana kely saingy tsy nahatohitra ilay polisy tezitra. Sady ho voasazy araka ny fitsipika anatiny izany ity polisy ity no hotsaraina araka ny fehezan-dalàna famaizana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici