Mandritra ny asa fanaon’ny Polisy andavan’andro amin’ny fisafoana an’ireo toerana mafampana amin’ny asa-jiolahy sy ireo toerana ahazahoana fitarainana matetika no nahasamborana tovolahy miisa roa nibata Frigidaire teo amin’ny tonelina Ambanidia, ny sabotsy 25 oktobra 2014 tokony teo amin’ny 3 ora maraina teo ho eo. Telolahy izy ireo no nibata an’io Vata fampangatsiahana io, fa tafaporitsaka ny iray. Tamin’ny fanadihadiana ireto voasambotra no nilazan’izy roa ireo, fa teny Ampasanimalo no toerana nakan’izy ireo an’ity Frigidaire ity, ka saika hoentina tany Isotry. Mifanandrify indrindra tamin’ny nahasamborana azy roalahy ireto no nisy ihany koa ny antso voaray avy tamin’olona momba ny vaky trano teny Ampasanimalo, ary io Frigidaire tratra io no isan’ireo entana very tao amin’ilay olona. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy ireo.
r.s.