Lehilahy roa mpivarotra sy mpifoka rongony efa ikoizana eny amin’ny faritra Ambanidia , ao amin’ny boriborintany faha-2 iny no voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina (STUP) etsy Anosy, ny Alakamisy 25 Aprily lasa teo. Loharanom-baovao marim-pototra avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahalalan’ny polisy ny toerana misy azy ireo, eny Volosarika. Nidina ifotony avy hatrany ireo mpitandro filaminana mba hisambotra ireto voalaza fa mpandika lalàna. Nandritra ny fisavana ny trano fonenan’izy ireo dia fonosana rongony tamin’ny « sachets » lehibe 2 no saron’ireo polisy tao. Tsy vitani’izay fa mbola nahitana tavim-binkazo misy rongony maniry ihany koa tao amin’ilay trano ; izay misy efitra iray natao ho fifohana rongony fotsiny ka antsoin’izy ireo hoe: « Ghetto ». Ny fanadihadiana natao azy ireo no nahalalana, fa efa avy nigadra ny iray tamin’ireto voasambotra ireto. Mazava ho azy, fa tsy maintsy naverina any am-ponja indray ralehilahy miaraka amin’ilay namany, tao aorian’ny nanolorana azy ireo ny Fitsarana, omaly Zoma 26 Aprily.
T.M.